SOMBIM-BAOVAO

Norombahin’ny ekipan’ny Real Madrid ny amboaran’i Espagne «Super coupe 2024» rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Barcelone FC, teo amin’ny lalao famaranana. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tany Arabia Saodita. Marihina fa ity no “Super Coupe” faha-13 azon’ny Real Madrid.
Nifarana ny alahady lasa teo, tany Namibie, ny fifaninanana ITF/CAT Africa, taranja tenisy, sokajy lahy sy vavy “junior”. Nahazo ny medaly alimo ny ekipa ma­lagasy vehivavy U14, nandritra ny lalao isantarika, raha toa ka fahefatra ny U16 lehilahy. Tsiahivina fa nihintsana teo amin’ny dingana faharoa ny Malagasy mpilalao ta­min’ny lalao olon-tokana.
Raha nosazin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ ny taranja tsipy kanetibe, ny filohan’ny FSBM, Amiroudine Andrialemirovason, dia nosoloin’i Adrien Julio Edouard ny toerany, ankehitriny. Tsara ny mampahafantatra fa ity filoha vaovao ity, dia filoha lefitry ny FSBM teo aloha ihany.
Nahazo klioba vaovao i Ibrahim Amada, Malagasy mpilalao baolina kitra. Raha ny vaovao voaray, ao amin’ny Ratchaburi FC Thailande, izy no hilalao. Marihina fa ankoatra an’i Amada, i Njiva no Malagasy milalao ao amin’ity klioba ity. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nandrafitra ny Barea, “Can Egypte 2019”, i Amada.

Partager sur: