Nanendaka mpandeha : naiditra am-ponja ilay mpamily taxi-be

Nidoboka am-ponja, oma­ly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay mpamily taxi-be nivadika ho nanao asan-jiolahy tamina mpandeha iray teny Andranomena, ny alahady teo.
Mbola nangingina ny andro, sendra irery tanaty fiara ny renim-pianakaviana iray. Teo no nararaotin’ity mpamily sy ny namany norobaina. La­san’izy ireo ny vola 165 000Ar, niampy ny entana haterina any amin’ny mpanjifa an’ilay lasibatra.
Nametraka fitarainana teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina ity renim-pianakaviana ity. Nanao filazana fampahafantarana tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook koa izy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy taorian’izay. Voamarina tokoa ny fisian’ny fandikan-dalàna nataon’ilay mpamily taxi-be.
Niroso tamin’ny fisamborana ilay mpamily ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana na­taon’ny polisy. Tsikaritra tato ho ato fa saika manao hadalana avokoa ny ankamaroan’ireo mpamily taxi-be sy ny mpanampy azy. Anisan’izany ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanendaka miditra ao anaty fiara fitateram-bahoaka. Maro ny mpandeha lasibatra. Manginy fotsiny ny familafilana ny mpandeha, ny fihodinana tapa-dalana, fanariana mpandeha. Jeren’ny tomponandraikitra fotsiny iza­ny. Amin’ny maraina, mihogahoga miantso mpandeha, nefa rehefa hariva tsy sahy miantso mihitsy ny resevera rehefa mahafeno « ver­sement ».

J.C

Partager sur: