Miantoka ny ho avy

 

Miteraka resabe etsy sy eroa ny mahakasika ny fenendrena ilay tovolahy, vao 27 handray 28 taona, ho minisitry ny Tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy. Maro kokoa ny manana fijery miiba noho ireo matoky ny ho fahombiazany. Any anaty fiara fitateram-bahoaka, eny amin’ny tambajotran-tserasera dia samy manovokovoka avokoa, mitondra fanehoan-kevitra.
Ny azo ambara, mahaliana ny sarambabem-bahoaka ny fanedrena tanora maitsovolo tahaka ireny. Izay fanatsatsoana tsy midika inona manoloana ny fahasahiany ho minisitra. Dingana iray goavana ho an’ny tanora no nataony. Famafana ilay endrika ratsy, iniana voizina fa tsy misy ho avy azo antenain’izy ireny eto Madagasikara. Porofo mivaingana fa manana tanora vonona sy vanona isika.
Ambony be ny fanamby napetrany! Tsy kilalaon-jaza, araka ny ivoizan’ny sasany azy. Tari-dalana sy modely ho an’ny zandry. Fampirisihana ny zokinjokiny mba hanatevina ny fahavononana hoenti-mampandroso ilay tanindrazana iaraha-manana. Antitra mampiady kalo rahateo, ny antitra antitra ihany! Taratry ny filàn’i Madagasikara ilay fiaraha-mientan’ny rehetra izany.
Fampandrosoana lovain-jafy no resaka. Iza no tsy haniry hoavy mamirapiratra ho an’ny taranany? Ny ohatra tsara dia miainga avy any ambony. Tsy misy ny tsy azo ovana! Azo atao ny mandrava ny fomba fisainana tsy mampandroso. Zava-dehibe rahateo ny fahaizana mamindra ny fanilo amin’ireo tokony efa handimby ny anaran-dray. Taratry ny maha firenena demokratika rahateo ny fanomanana dieny izao ny mpandimby. Tsy mpandimby fe mpandimby akory, fa tanora maitsovolo, ampy traikefa.
Hamafisiny, anio, ny maha zava-dehibe ny tanora anatin’ny drafi-pampandrosoana. Mpisehatra fototra, miantoka ny hoavin’i Madagasikara izy ireo.

r.r

Partager sur: