Minae : hiasa haingana ny minisitra R. Suzelin

Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) vaovao, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, sy ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, ny Dr Raymond.
Naneho ny fahavononany ny minisitra vaovao amin’ny hanohizana sy hanatrarana ireo tanjona maro napetraka, indrindra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Maro ny zava-bita fa tsy vitsy koa ny asa miandry. Hotanterahina ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny asa.
Nankasitraka ny fiaraha-miasa sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra, ny minisitra teo aloha mirahalahy. Nanentana ihany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny minisitra vaovao. Notsipihin’ny minisitra Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, fa efa niasa maharitra tamin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny tenany.
Natolotra azy nandritra ity fotoana ity ny boky maro mirakitra ny paikadim-pirenena novolavolain’ny minisitra roa teo aloha.

Njaka A.

Partager sur: