Minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana : “Hotohizana ny asa efa natomboka”

Tontosa tetsy Andava­mamba, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriaman­dranto Joël, sy ny minisitry ny Asa tanana sy ny haitao teo aloha, Ratsiraka Sophie. « Mifampiankina ny fizahantany sy ny asa tanana. Hoto­hizana sy hotanterahina ireo asa efa natomboka”, hoy ny minisitra. Hatao laharam-pa­hamehana ny fampidirana ny mpisehatra rehetra amin’ny asa tanana, na manara-dalàna na tsia, ao anatin’ny rindrambaiko, toy ny amin’ny sehatry ny fizahantany. Hisy ny fampirantiana lehibe hatao amin’ny volana jona, hiantsoana ireo mpanjifa avy any ivelany sy eto an-toerana. Hetsika tafiditra amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana amin’ny fitadiavana lalam-barotra. Tsy maintsy hisy ny vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny 100 andro, araka ny fifanarahana tamin’ny Filoham-pirenena, hoy hatrany ny minisitra. Sehatra iray anisan’ny mamelona tokantrano sy fianakaviana maro ny asa tanana. Mahatratra hatrany amin’ny 67,5 tapitrisa euros ny vola nampidiriny tao anatin’ny kitapombolam-panjakana.

Tsara tsidihina
Tafiditra ho anisan’ireo toerana tsara tsidihina, mandritra ny taona 2024, i Madagasikara, raha ny tatitra navoakan’ireo gazety boky iraisam-pirenena mampahafantatra ny Nosy sy ny hakanton’ny Malagasy. Ny taona 2023, nahatratra 222 848 ireo mpizahatany tonga teto an-toerana. Antontanisa manakaiky ny tamin’ny taona 2019, izay tafakatra hatrany amin’ny 350 000 isa. Tanjona hapetrak’i Madagasikara ny hanatrarana ny 1 tapitrisa mpizahatany amin’ny taona 2028.

Henintsoa Hani

Partager sur: