Notetezin’ny varatra ny tranon’izy eni-mianaka teny Lavahitsiny Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina. Namoy aina telo ny fianakaviana. Vehivavy mpianaka niara-maty izay bevohoka fito volana ny iray.
Mafy ny manjo ny fianakaviana iray, monina eny Lavahitsiny, Kaominina Anosiala, distrik’Ambohidratrimo. Maty nilatsaham-potaka ny renim-pianakaviana roa tao an-trano. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-42 taonany, R. Pierette Justine. Vao 19 taona kosa R. Veronique Naria. Mpirafozana izy mianaka namoy ny ainy. Eni-mianaka izy ireo no tao an-trano ka nieren-doza ny ambiny.
“Nokarohin’ilay varatra mihitsy ny zanakay izay vehivavy bevohoka io. Tahaka ireny hoe nataon’olona ireny”, hoy ny fianakavian’ny maty. Notetezin’ny varatra ny efitrano, nanavatsava niditra tao an-trano ny afo. Namantana avy hatrany teny aminy sy ilay rafozany, araka ny fanazavana voaangona teny an-toerana.
Mpivady vao
Nanorin-tokantrano vao volana vitsy monja ity tovovavy namoy ny ainy ity. Taorian’ny lanonana manetriketrika tamin’ny fahavitan’ny raharaha. Niara-nipetraka izy mivady ary efa nikasa ny haka taranaka. Tsy nisy nanampo ny zava-nitranga ireo teo anivon’ny fianakaviana, valo volana monja aty aoriana.
Nanantena hiandry vahiny kely afaka roa volana izy mivady. “Indrisy rava avokoa izany. Niara-maty ny vadiko sy ny zanako tao an-kibony”, hoy ny fanazavam-badiny. Noho ny orana nikija, naka aina tao amin’ny efitrano ity tovovavy 19 taona ity. Efa mahazatra azy ireo ny mihainohaino sy mitafatafa ao an-trano rehefa takariva. “Nipetraka tato ambony rihana aho. Izy mianaka kosa tany amin’ny efitra hafa”, hoy ny raim-pianakaviana, vadin’ny maty sady rafozan-dahin’i Naira. “Hitanay ny fanivatsivan’ny varatra. Sady nijery no tsy nisy nahetsika ny iray trano. Taorian’izay vao nikoropaka nijery ireo vady aman-janako aho”, hoy hatrany ilay raim-pianakaviana, nanaovana fanadihadiana teny an-toerana.
Hafahafa
Nampiaiky ny fianakaviana ny fisehoan-javatra toa hafahafa. Tsy milaza mivantana izy ireo fa misy tsy mazava. “Manaiky ny lahatr’Andriamanitra izahay”, hoy ny fianakaviana. “Notetezin’ilay varatra avokoa ny efitrano miisa efatra tato aminay”, hoy hatrany ireo nieren-doza. Nahita zavatra menamena nitselatra tao anatin’ny segondra vitsy ilay raim-pianakaviana iray ambony rihana. “Efa nihohoka tamin’ny tany ny vinantoko no hitako”, hoy ilay rafozan-dahiny. Namariparitra tamin’ny rindrin’ny trano ny dian’ny varatra. “Tao amin’ny efitra avaratra ny zanako roa fa izy sy ny vadiko tao amin’ny efitra atsimo. Tao no nahavoa azy ireo”, araka ny fijorona vavolombelona hatrany.
Hafahafa
Manoloana ny loza nianjady tamin’izy mianaka. Niezaka namonjy sy nanao izay ho afany hamerenana ny ain’izy ireo ny fianakaviany. Niala maina izy ireo na dia fotoana fohy azy dia efa samy vory teo ny mpiray trano sy ny manodidina. Tsy nisy ny azo natao fa olona efa tsy misy aina intsony izy ireo. Tsy nisy nanampo ny zava-niseho. Noheverin’ny fianakaviana fa andro ratsy toy ny mahazatra ny fisian’ny varatra tamin’ny afakomaly alina.
Ankoatra izay, volana vitsy mialoha ny nahafaty ity tovovavy vao 19 taona, maty ihany koa ny anadahiny. Mihevitra ny mpiara-monina amin’izy ireo fa misy toe-javatra hafahafa mianjady amin’ny fianakaviana.
Tany am-piasana.
Nanantena hahita ny vadiny sy ny reniny toy ny mahazatra, ny tovolahy iray izay miara-mipetraka tao an-trano. Tany am-piasana izy no nahare fa maty izy mianaka, niaraka amin’ny zanany mbola any ambohoka. “Toy ny vara-datsaka ny nandrenesako ny fahalasam-badiko. Izy izay efa nitondra ny menaky ny ainay amam-bolana”, hoy ny vadin’i Naria.
Niezaka nanohana ity raim-pianakaviana ity noho io fahoriana nidona tamin’io ireo manodidina azy.
Tsy mandry fahalemana…
Mampitaraina ny mponina ao anatin’ny fokontany Lavahitsiny, ny haratsian-dalàna mankany an-toerana sy ny tsy fandriampahalemana. “Manjaka ny mpanao hala-boty sy ny dahalo ety amin’ny manodidina”, hoy hatrany ireo fianakaviana mana-manjo eny an-toerana. Maharitra minitra maro vao tonga eny amin’ny hopitaly raha toa ka misy tranga tampoka mipoitra ho an’ny olona eny an-toerana. Miantso ny fitondram-panjakana, araka izany, izy ireo hijery ifotony ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny lalana mampitohy ny tanàna amin’ny tanànan’Anosiala.
Miseholany…
Mateti-pitranga ny fahafatesan’olona nilatsaham-potaka tato ho ato. Lasibatra ny olona eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Anisan’izany ny fahafatesana telo mianaka tao amina fianakaviana iray tao amin’ny fokontany Soatsiovana, kaominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, ny 8 janoary teo. Lasibatry ny tranga tahak’io koa ny vady aman-janaka mpitandro filaminana iray tao Amparafaravola, volana vitsy lasa.
Soratra : Tsiferana R. / Sary : Fano