Mikatona avokoa ny fiangonana FJKM rehetra amin’ny alahady izao. Mifamotoana eny amin’ny Toeram-piofanana ho mpitandrina (TPM), Ivato, ny mpino kristianina rehetra amin’ireo synodam-paritany, hitondra am-bavaka ny taom-piasana 2024. Hitondra am-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany koa, mandritra izany. An-tapitrisa ireo mpino kristianina FJKM heverina ho avy eny an-toerana.
Natao tao amin’ny sampan’asa miady amin’ny tazomoka ny fivoriana voalohan’ireo mpikambana, Roll Back Malaria, izay miara-misalahy amin’ny fisorohana sy ny ady amin’ny tazomoka. Nanao jery todika ny lasa ary nibanjina ny asa miandry amin’ity taona ity, momba ny ady amin’ny tazomoka
Efa tongasoa any amin’ny firenena mandray azy avokoa ireo Mpanazava 4 mirahavavy hiatrika ny “Yess Girl 2024”. Any Rwanda i Egay Masea, any Kenya i Tiaviniaina, any Zimbabwe i Zahana Mionjo ary any Zambia i Voara Mitozo.
Hatry ny omaly hariva, nilaza ny Apipa, misahana ny fandehan’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo, fa tsy mbola misy ahiana ny haavon’ny renirano. Nijohy matetika ny orana hatry ny alatsinainy alina, ka manara-maso akaiky ny fiakaran’ny rano ny Apipa, mba hahafahana manaitra ara-potoana ny mponina manamorona ny renirano.