SOMBIM-BAOVAO

Miakatra hatrany ny lazan’ilay Malagasy mpilalao basikety, Rakotonanahary Donovan, any Etazonia. Matetika mahazo vokatra tsara ny ekipany ary anisan’ny mpilalao misongadina izy. Maro ireo sekoly ambony sy klioba maniry haka azy amin’ity taom-pikatrohana ity. Anisan’ny mikasa hanome vatsim-pianarana “sport-étude” ho azy ny Oniversite Benedict ao Etazonia.

Azon’i Lionel Messi indray no nahazo ny « The Best 2023 », izay nokarakarain’ny Fifa, araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Tsiahivina fa efa i Messi no voahosotra ho mpilalao mendrika, “The Best 2022”. Manana baolina volamena 8 i Messi amin’izao fotoana izao.

Voaroaka tao amin’ny klioban’ny AS Roma Italie, i José Mourinho, Portiogey mpanazatra. Marihina fa ny vokatra ratsy nifanesy azon’ity klioba ity no nahatonga izao fandroahana azy izao. Tsiahivina fa ny taona 2022, nahazo ny “Ligue Europa Conference” ny AS Roma rehefa nentin’i Mourinho ary nanao famaranan’ny “Europa Ligue” izy ireo, ny taona 2023 lasa teo.

Lamine Camara, Senegaley mpilalao baolina kitra, nahazo ny “Homme du Match” nandritra ny fihaonan’i Gambia sy i Sénégal, ny alatsinainy lasa teo. Tsiahivina fa mpilalao mendrika nandritra ny “Chan Algérie 2023”, i Lamine Camara. Efa nifanandrina tamin’ireo Malagasy mpilalao izy teo amin’ny manasa-dalan’ny Chan.

Partager sur: