efa namono olona valo : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Mahazo vahana indray, tato ho ato, ny fitsaram-bahoaka ao amin’ny faritra Atsi­na­nana. Ny alatsinainy 15 janoary 2024 teo, telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’iny lalam-pirenena faha-11A iny. Omaly, jiolahy iray indray no niharan’izany tao Tanambao Verrerie Toama­sina, raha roa hafa naratra mafy tao Anki­ri­hiry. Avotra izy roa lahy ireto satria haingana ny fahatongavan’ny polisin’ny Fip. Efatra ireo jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka tao anatin’ ny herinandro, tany an-toerana. Nia­ra-nisotro tamina tovolahy iray 22 taona tao anaty trano fisotroana ny raim-pianakaviana 60 taona, izay samy mpiara-monina ao Tanambao Ver­re­rie Toamasina ihany. Sendra ni­voaka nivalan-drano ilay to­vo­lahy ka nanararaotra nandraraka zavatra tao anaty veran’ilay tovolahy ilay rangahy 60 taona. Tsikaritr’ilay tovolahy anefa izany ka nanontany izy hoe: fa hataonao inona ny verako? Nilaza anefa ilay rangahy fa hoe nakisany fotsiny. Nony tonga tany an-trano an­e­fa, nahatsapa fa tsy salama ilay tovolahy ka nitantara ta­min’ny fianakaviany. Namoy ny ainy ilay tovolahy taorian’i zay. Niezaka nikaroka ilay rangahy ny fianakaviany. Tratran’ ny olona ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nilaza ity rangahy ity tamin’ ireo olona fa efa valo ny olona matiny ta­min’ny alalan’ny fanapoizinana zava-pisotro anaty trano fisotroana toy izao. Vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ny fokonolona izany. Vokany, maty tsy tra-drano koa ilay nahavanon-doza.

Sajo/J.C

Partager sur: