Manodidina ny 1 200 000 ny hajia lafon’ny Paositra malagasy tamin’ny taon-dasa. Nahitam-piakarana izany raha oharina tamin’ny 20 taona lasa, izay manodidina ny 800 000 isan-taona. Mitombo ny fampiasan’ny olona ny hajia na eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia. Ankehitriny, manodidina ny 1 000 000-
1 400 000 isan-taona eo ny hajia atontan’ity orinasa ity.
Nitohy teny amin’ny kaominina Soavina Atsimondrano, omaly, ny fanatanterahana ny tetikasa “Jiro mora”. Miisa 20 000 ny tokantrano hisitraka izany eny an-toerana. Hitohy any amin’ny kaominina Tanjombato indray ny hetsika, anio. Manodidina ny 50 000 ny tokantrano hisitraka ny Jiro mora manerana ny Nosy, hatramin’ny avrily 2024 izao.
Tsy azon’ny fiara rehetra hivezivezena ny lalana any Andramasina rehefa avy ny orana. Voakasik’izany ny lalana mampifandray ny kaominina Andramasina sy Alatsinainy Bakaro, ny Andramasina-Ambohimiadana ary ny Mandrosoa-Sabotsy Manjakavahoaka sy Anosibe Trimoloharano. Voasazin’ny mpitandro filaminana izay mandika izany.