FANTINA sy FINTINA

Mbola ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy isika amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa nanomboka ny 1 desambra 2023 hatramin’ny 15 febroary 2024, izany fanavaozana ny lisitry izany. Entanina, araka izany, ireo izay vao feno taona na nifindra monina hanatona ny biraom-pokontany ao anatin’io fe-potoana io.

“Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampandrosoana ny fiainam-bahoaka”, hoy Rajaonarimampianina Hery, filoha teo aloha. Nohamafisiny fa ny fiainana ara-tsosialin’ny vahoaka no tondrorefy voalohany indrindra hitarafana ny fampandrosoana eo amin’ny firenena iray.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tomponandraiki-panjakana samihafa, miaraka amin’ny mpilatsaka an-tsitrapo, ao amin’ny faritra Boeny, manoloana ny andro ratsy ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Efa nisy ny fidinana ifotony teny amin’ireo toerana sy fokontany dibo-drano nataon’ny manam-pahefana any an-toerana.

Tsy niandry ela fa avy hatrany dia niasa i Fomendraza Haingo Elisette, minisitry ny Mponina sy ny firaisan-kina, taorian’ny nandraisany ny fahefana maha minisitra azy. Olona miisa 450 tao amin’ny Ankany SEBA, MADCAP Isotry sy Anosibe Zaivola ary Ambodihady no nanatanterahany izany.

Partager sur: