INDRAY MIJERY

Hisantatra ny Éducation thérapeutique voalohany, amin’ity taona ity, ny olon-dehibe. Fampianarana karakarain’ny Amadia, ny sabotsy izao. Lohahevitra hovelabelarina amin’izany “Ny diabeta”. Maimaimpoana ny fandraisana anjara ary afaka mitondra namana sy fianakaviana ireo marary.

Hatramin’ny anio, miato ny fampianarana amin’ny sokajy rehetra ao amin’ny faritra Boeny. Fepetra noraisina mba hisorohana ny loza mety hitranga vokatry ny fahabetsahan’ny rotsakorana andro aman’alina any an-toerana. Voakasika izany avokoa ny kilasy garabola hatramin’ny oniversite.

Namoaka naoty ny minisiteran’ny Fa­na­beazam-pirenena mba hahamailo ny sekoly rehetra manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina conjonctivite ankehitriny. Hamafisina ny fanasana tanana amin’ny savony mialoha ny hidirana an-dakilasy, ny fampiasana ny gel desinfectant sy ny fanajana ny elanelana ara-pahasalamana. Andraisana fepetra avy hatrany koa ireo ankizy ahitana trangan’aretina.

Nidina avy hatrany teny amin’ireo toby misy ny fianakaviana sahirana ny minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette, vantany vao vita ny famindram-pitantanana, ny talata teo. Nanolotra fehezan-karona misy vary, menaka, ronono, bodofotsy… ho an’ireo fianakaviana 450 ny tenany tao amin’ny Seba, Madcap Isotry, Nosibe Zaivola….

Partager sur: