Hiditra amin’ny dingana famaranana, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, Zone 4.4, taranja Lalao Echecs, tontosaina eny amin’ny Hôtel Destiny Ambohimangakely. Ny maraina no hanaovana ny famaranana ary ny hariva kosa fizarana mari-pankasitrahana.
Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Randresiarivony Anjaratiana, mpiangaly Jiu-Jitsu, tepana mainty. Hisy ny fizarana traikefa sy “Open Mat” hataony, anio 18 janoary, ao amin’ny Dojo Esca Antanimena, manomboka amin’ny 5 ora hariva.
Hitohy ny 20 sy 21 janoary ho avy izao, ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny tompondakan’ Analamanga, taranja Volley-ball, sokajy 1DM, 2DF, 2DM ary ny sokajy “Jeunes”. Tsy misy kosa ny fifaninanana ho an’ny 1ère Division, vehivavy, amin’io faran’ny herinandro ho avy io.
Nahazo medaly alimo ny Malagasy Judokas, vehivavy, mpila ravinahitra any ivelany, niatrika ny andiany faha-41, amin’ny fiadiana ny amboaran’ny “Rois Isère”, ny faran’ny herinandro teo. Ekipa 9 no nifanandrina tamin’i Brenda sy ny ekipany, nandritra ity fifaninanana ity.