Naolana sy notapahin-doha : nataon’ny mpimasy sorona i Nathalie

Nataon’ny mpimasy sorona i Nathalie. Ilay razana tsisy loha nariana teny Faravohitra, tamin’ny talata maraina. Ny ampitson’io, hita tao anaty dabam-pako ny lohany. Mitantara ny reniny…

Mampivarahontsana ! Novetavetaina avy eo notapahina tamin’ny antsibe ny lohan’i Fifaliana Nathalie Thérèse na i Zazah. Tovovavikely vao 14 taona, nalain’ny mpimasy an-keriny ny alahady alina, ka nataony sorona. « Tsy taitra akory ity mpimasy ity nandritra ny fa­motorana azy, nilaza fa nataony sorona teny amin’ny doany eny Andranoro, Ambohibao Antehiroka ny lohan’ilay tovovavy », hoy ny fitantaran’ny renin’ilay lasibatra, Ramaro­vavy Pulchérie, nitatitra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao famotorana. « Na­naovako sorona teny amin’ny doany eny Andranoro ny lohany, avy eo nariako tao anaty daba fanariam-pako », araka ny tatitra nampitain’ny polisy nanamafy ny voalazan’ny fianakaviana.
Araka ny fanazavan-dRamarovavy Pulchérie, teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA, omaly, nandritra ny fakana ny razana dia tsy nampoiziny ny zava-nitranga. Toy ny fanaony mahazatra, miala maraina, mandeha mivaro-boankazo eny Andohatape­naka izy. Alim-be vao mody satria io no hany fidiram-bolany, hamelomany ny zanany. « Tonga aho ny alahady hariva, tsy hitako tao an-trano io zanako vavy io. Nilaza ny teo amin’ny manodidina fa hoe lasa nanaraka an-dRatonton (ilay mpimasy io) i Nathalie fa misy asa homeny azy », hoy izy nitantara an-dranomaso. « Hatairana ny ahy nandre izany. Ny andro efa alina tamin’io fotoana io, tsy niverina nody intsony rahateo koa izy taorian’izay », hoy hatrany izy.

Miova isan’andro…

Nanao fitarainana teny amin’ny polisy ilay renim-pianakaviana ny alatsinainy. Nitory mahakasika fakana an-keriny an’ilay mpimasy izy. Nanomboka teo ny fikarohana saingy tsy hita popoka izy ireo. « Tao anaty gazety no nahitanay ny sarin-janakay. Ilay rojo sy ny fitafiana nanaovany no nahafantaranay fa i Nathalie io razana tsy nisy lohany teny Faravohitra io », hoy hatrany ity renim-pianakaviana nitantara.
Nandeha ny famotorana, tra-tehaka omaly maraina teny Faravohitra ihany ilay mpimasy. Nataon’ny polisy sarika am-pandriana. Mbola tratra tao aminy ny ody ratsy marobe, antsibe sy tsofa ary zava-maranitra hafa. Marihina fa ny fianakavian’ilay mpimasy no nahafahan’ny polisy nisambotra azy.
Raha ny fitantaran’ny iray tampo amin’ilay mpimasy, Ravololonirina Tahina, anabaviny dia niova isan’andro ny fihetsiky ny anadahiny. Nan­dritra ny efa-taona no efa misy zavatra tsy milamina aminy. Matetika tonga ao an-tranony ilay mpimasy. Mamerimberina amin’izy mianakavy fa mila midio izy ireo satria maloto. « Nisy fotoana norebirebeny ny zanako mba hiaraka aminy fa nanda hatrany ny ankizy», hoy io anabaviny io.

Jean Claude

Partager sur: