Nampanantsoin’ny fitsarana ao Fianarantsoa ireo mpitsabo roa namoaka valim-pitiliana samy hafa tamin’ny raharaha fanolanan-jaza niteraka resabe, afakomaly. Nanambara ny mpitsabo iray fa tsy niharan’ny fanolanana ilay zazavavy folo taona nipetraka tao amin’ny mpampianany. Tetsy ankilany, nanamafy ilay mpitsabo iray fa simba tanteraka ny taovam-pananahan’ilay zaza.
Zazamenavava narian-dreniny tao anaty lava-piringa tao amin’ny Fokontany Tsinjoarivo Imanga, kaominina Ambararatabe, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny talata 16 janoary teo. Tsikaritry ny manodidina ny fihetsiky ny renin’ilay zaza. Avotra soamantsara anefa ity farany. Notanana hatao famotorana kosa ilay reny nahavanon-doza.
Vehivavy iray naiditra am-ponja vokatry ny fanariany ny zanany teny amoron-drano, tao Manakara, afakomaly. Zazavavy efa-bolana io zanany io. Nisy nahita ny fihetsiny ka novonjen’ny fokonolona nanatri-maso ilay zaza. Nosamborin’ny polisy ilay renim-pianakaviana ka nampidirina am-ponja miandry ny fitsarana azy taorian’ny famotorana.