Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana roa, omaly atoandro. Nisy fipoahana mahery vaika tao an-tranon’izy ireo. Potika tanteraka ny tongotry ny iray, rotidrotika ny vatan’ny namany.
Zava-doza no nitranga tao amin’ny tokantrano iray, teny Marovohitra, kaominina Sambaina, distrikan’i Manjakandriana, omaly. Nisy zavatra nirefotra mafy be, fipoahana nampiahiahy. Vokany, lehilahy roa maty tsy tra-drano. Ny iray 53 taona, mponina eny Antetokely, izay tapaka tanteraka ny tanany havia sy ny tongony roa , ary rotidrotiky ny poti-by ny vatany. Ny namany kosa 59 taona, monina eny Ambohijanaka, izay feno lavadavaka nateraky ny vy ny tratrany sy ny vatany iray manontolo.
Tokony ho tamin’ny mitataovovonana no nitranga ny loza. Araka ny fitantaran’ny mpifanolo-bodirindrina amin’izy ireo, mpitsindroka fako sy mpanamboatra radio simba izy mirahalahy. Asa, misy ifandraisany amin’izay ve? Mialoha ny fipoahana dia nisy nahatsikaritra ny filanjan’izy ireo gony feno entana niditra tao an-trano. Fotoana fohy taorian’izay, nanaitra ny manodidina ny fipoahana mahery vaika.
Nidina ifotony, nizaha ny zava-nisy ny zandary sy ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB2 rehefa nahazo fampilazana tamin’ny mponina. Hisy iraka sy manampahaizana manokana avy amin’ny jenia miaramila hidina any an-toerana, anio, hanao fanadihadiana mahakasika ny anton’ny fipoahana.
Marihina anefa fa tsy nahita na inona na inona tao an-tranon’izy mirahalahy, rehefa nanaovana fisavana, ny mpitandro filaminana. Natolotra ny fianakaviana avy hatrany ny razana rehefa voazahan’ny mpitsabo.
r.r