FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny didim-panjakana noraisina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny Alarobia teo, ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcelin, sy ny an’ny faritra Melaky, Ratsitohara Patrick, ary ny an’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny Dr Mahafaky Justin.
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirene­na, Razanamahasoa Christine, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, omaly, ireo hisolotena an’i Madagasikara amin’ny « Parlement francophone des jeunes ». Any Canada, ny 4 hatramin’ny 9 jolay 2024 no hanaovana izany.
Niakatra fampanoavana, teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany teny Anosy, omaly, i Mbola Rajaonah. Fitsoahana ny fonja no vesatra niampangana azy tamin’izany. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy taorian’ny fihainoana azy ary hiakatra fitsarana ny 20 febroary 2024.
Nisy ny fanendrena an-dRasoamaromaka Heri­la­laniaina ho Governoran’Analamanga, sy ny Géneral de Brigade Rasolondraibe Jean Yves, ho tale misahana ny fiarovana ny filoham-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, ary Rajoelina Miary Toky Herindrainy, ho talen’ny fahasalamam-pianakavina, eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny 17 janoary teo no nanendrena azy ireo.

Partager sur: