Kihon-dalana lehibe ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa « Produir” ny taona 2024. Voakasik’izany ny asa vaventy hatao eto Antananarivo sy ny manodidina, toy ny fanamafisana ny lakandrano C3, ny fanajariana an-tanàn-dehibe, sns.
Hanomboka tsy ho ela ny andiany manaraka amin’ny asa fanamafisana ny sisin’ny lakandrano C3 eto Antananarivo. Ao anatin’izany ny fananganana tsatoka fiarovana, ny fanadiovana sady fanamafisana ny sisin’ny tatatra sy ny fandravonana azy. Mirefy 6 km ny vahilava hamafisina amin’ny rafi-bato sy simenitra. Hisy ny sakana fitazonan-drano vonjimaika samihafa hatsangana, sy ahafahana manao ny fanamafisana ny sisin’ny lakandrano. Miisa enina ny lakandrano harenina.
Mila ny fiaraha-mientan’ny sehatra isan-tsokajiny voakasika ny fanatanterahana ireo asa ireo ary anisan’izany ny fifampiresahana sy ny fanentanana tsy an-kiato ny mponina eny ifotony. Misy ny fepetra raisina mifandraika amin’izany toy ny fitsinjovana ny tontolo iainana, ny fandrindrana ny fivezivezena sy ny fifamoivoizana, ny fikojakojana ny lalana efa misy, ny fandaminana ny asa eny an-toerana, sns.
Mangarahara
Tsy azo ferana ny hisian’ny olana mandritra ny fanatanterahana ny asa. Na izany aza, efa miomana amin’izany ny tomponandraikitry ny tetikasa Produir sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Apetraka mialoha hatrany ny mangarahara sy ny fifampidinihana. Nilaza ny teknisiana amin’ny fitsinjovana ny lafiny sosialy ao amin’ny Produir, Razanadrafara Mamy Reine, fa « hatao laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny fifampidinihana sy ny fifanakalozan-kevitra tsy an-kiato, isaky ny dingan’ny asa hatao hiatrehina ny olana mety hitranga, raha jerena amin’ny haben’ny asa hatao ». Manampy izany, misokatra ho an’ ny rehetra ny varavaran’ny foiben’ny tetikasa. Tsapa tokoa ny olana amin’ny lafiny fitantanana ny fikorinan’ny rano eto Antananarivo isaky ny vanim-potoan’ny orana, toy izao.
Njaka Andriantefiarinesy