Hiaraka hanala ny fako eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Rano sy ny CUA. Hampiasaina amin’izany ireo kamiao avy amin’ny firenena japonais, raha vao tafapetraka ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS), hitantana ny kaominina CUA. Hatomboka haingana koa ny famahana ny olan’ny rano ao anatin’ny tetikasa “Tana Water III”.
Mitentina hatrany amin’ny 1,1 tapitrisa euros ny vola hanohanana ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny vondrona eoropeana. Natao izany ho fanohizana ny asa vita teo aloha.
Esorina ny tany mihotsaka amin’ny lalana RN 14 Ifanadiana-Ikongo. Efa vita ny halavirana 6 km (PK 11+100 – PK 17+100). Mitohy ny asa ataon’ny orinasa Tsara, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Vokatry ny orambe tamin’ny 10 janoary teo no nahatonga izao fihotsahan’ny tany izao.
Haharitra 4 taona ny tetikasa “Cooperative Ecosystem And Social Inclusion” (CESI), hanohizana sy hanatsarana ny fandaharanasam-pampandrosoana ny kaoperativa amin’ny alalan’ny fametrahana fepetra mampiroborobo izany. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny orinasa kaoperativa sy ny fandraharahana ataony.