Misaona indray ny Hiragasy: nodimandry Radona, Ramilison Besigara

Lasa namonjy an-dRamilison rainy, Zeze zokiny ary i Perline anabaviny ihany koa Radona. Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany Rafalison Joachin, fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ny hoe Radona. Toa ny vara-datsaka ny nahenoana ny vaovao ny alin’ny alarobia teo, ka nisesy ny fampaherezana ny fianakaviana sy ny tropy, ny fanomezam-boninahitra ary ireo fahatsiarovana maro niarahana tamin’ity mpiangaly ny hiragasy ity.
“Anisan’ny zoky nitondra avo ny hiragasy teto, hatrany ivelany izy. Betsaka ireo taranaka taty aoriana no naka traikefa taminy, ka efa mpitarika mpanao hiragasy amin’izao fotoana”, hoy Rabejean, Mia­rinarivo.
Raha ara-tantara, vao 10 taona monja dia efa nilomano tao anatin’ny hiragasy Radona. Nitana ny toeran’irony “mpandihikely” irony izy, tao amin’ny tarika Sahondrafinina Reniny. Niala tao anatin’ny tropy taorian’ny fifanarahana Ramilison, ka nananganana ny tropy azy manokana ny taona 1987. Nanampy ny rainy nitondra ny tropy Ramilison Besigara hatrany Radona, nanomboka teo. Hainy avokoa rehefa anjara toerana ao anatin’ny tropy mpanao hiragasy: mpandaha-teny, mpihira, mpandihy ary nitendry ny zavamaneno rehetra (apongabe, langoroana, lokanga sy ny zavamaneno tsofina) izy. Ilay zanakira “Radona sy Maria” no tena nampalaza azy.

Zo ny Aina

Partager sur: