TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Ngah Matoa. Mpiangaly ny rap gasy, Rakotondrabe Andriantsoa Tolotra, fantatra eo amin’ny tontolo amin’ny anarana hoe Ngah Matoa na Ngam. Mpanao tononkira masiaka sy mivantambatana izay no tena hitiavan’ny mpankafy rap azy. Efa betsaka ny seho nandraisany anjara, na ny “ambany gorodona” na ny goavana kokoa.

Piment Café – Revy ambony tamboho. Vazo arahin-gitara mazava loatra no hoentin-dry Ony, Tolotra, Dougl ary i Nini Kolibera anio alina, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Hifototra amin’ireo hiran’ny taona 80 vahiny sy malagasy ny hira halahatry ry zalahy ao. Tsy azo ihodivirana ny sanganasan’ny tarika Mahaleo, Lôlô sy ny tariny, Feo Gasy, sns.

“Da.Do Project” ao amin’ny B’Art Haingo. Toerana iray hanjakan’ny zavakanto ihany koa ny B’Art Haingo ao Antsirabe. Mpanakanto maro mivoy mozika maroloko no efa nandalo tao. Hafa koa noho ny hatramin’izay ny hoentin’i Dada Ravalison sy i Dozzy Njava ho an’ny anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Ho vahinin’izy ireo mandritra ny seho i Viavy Gasy.

“Revy vazo an-gitara” eny amin’ny La Fabrik Ampasanimalo. Ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao izy ity, izay hatao rahampitso 20 janoary manomboka amin’ny 8 ora alina. Hanafana ny fotoana i Belahy sy i Narindra, hampian-dry Lemanana, Jaya, Ibemaso sy ny Didy Kabôsy de Miarinarivo. Tsy misy vidim-pidirana fa fanamafisana ny fiarahana izany.

Partager sur: