Niditra tamin’ny andro faharoa ny fifanintsanana isam-bondrona “Can 2023”, ny alarobia lasa teo. Raha ho an’ny vondrona «A», lavon’i Nigeria tamin’ny isa 1 no ho 0 i Côte d’Ivoire, mpampiatrano, tamin’izany. Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra ity fihaonana ity i Victor Oshimen, lohalaharan’i Nigeria.
Lasa mpilalaon’ny Elgeco Plus, Razafindrakoto Jean Yves, lohalaharan’ny Fosa Junior FC teo aloha. Tsiahivina fa mpilalao nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra ny “Chan Algérie 2022” i Jean Yves. Izy no nahatafiditra baolina tokana tamin’ny lalao nihaonan’ny Malagasy sy i Niger ka nahazoantsika ny medaly alimo nandritra izany.
Tapitra teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana ny lalan’ny Real Madrid, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Espagne “Coupe du Roi”. Lavon’ny ekipan’ny Atletico Madrid tamin’ny isa 4 no ho 2 izy ireo, ny alarobia lasa teo. Marihina fa ity no faharesena faharoa nahazo ny Real Madrid tamin’ity taom-pilalaovana ity.
Tsara ny vokatra ho an’ny Ankoay, nandritra ny lalao fanomanan-tena, hiatrehana ny dingana voalohan’ ny “Afrobasket 2025”, taranja basikety. Tsy afa-bela nanoloana azy ireo ny ekipa “Reste du monde”, izay mpilalao avy amin’ny N1A. Raha ny vokatra tamin’ny lalao voalohany, resin’ny Ankoay 84 no ho 45 ny “Reste du monde”.