Sambany, hoy ireo rehetra nanatrika ny famaranana ny fiadiana ny «Grand Tournoi d’Antananarivo», taranja baolina kitra no nahitana volabe avy hatrany dia natolotra ny mpandresy. Tena mendri-piderana tokoa ny zava-bitan’ny ligin’ Analamanga, nanatanteraka izany. Tsy teo amin’ny fanatontosana ilay fifaninanana ihany fa ny herim-po nanomezana loka goavana ho an’ny mpandresy koa. Notoloran’izy ireo 20 tapitrisa Ar mantsy ny ekipa nandrombaka ny laharana voalohany.
Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena, ary indrindra ny baolina kitra izany hoe avy hatrany dia notolorana lelavola izany ny mpandresy. Hatramin’izay mantsy, amin’ ny alalan’ny taratasim-bola hatrany no nomena. Nambaran’ireo izay efa niaina izany fa mbola gidragidra ny fangalana izany vola izany noho ireo pitsompitsony tsy maintsy arahana amin’ ny fisintonana iny vola iny, any amin’ny banky na amin’ireo toerana voatokana amin’izany.
Tsy vitan’izay, mbola maharitra fotoana ela vao azo ilay vola. Ireo mpilalao nandrombaka izany anefa maika ny hisitraka, hampiasainy amin’ny fiainany andavanandro sy ho an’ireo vady aman-janany ary ny fianakaviany. Vokatr’izay, miteraka disadisa satria aloan’ny filohan’ny klioba mialoha (avance) ilay vola avy eo sintoniny ny azy rehefa mivoaka ilay avy amin’ny taratasim-bola. Heverina ho hisy fitapitaka sy fakana tombony izany, ho an’ny sasany ka miteraka disadisa.
Mankasitraka ny ligin’Analamanga fa tena fakan-tahaka tokoa iny fihetsika nataony iny. Misarika mpanohana sy mampisy fifampitokisana ny fahasahiana manao zavatra toa ireny, ka tokony ho arahin’ireo ligy sy federasiona sasany.
Tompondaka