Randresiarivony Anjaratiana : efa tompondakan’i Eoropa intelo, taranja Pancrace

Tsy ny taranja Jiu-Jitsu ihany no iangalian-dRandresi­arivony Anjaratiana, Malagasy mpikatroka, mila ravinahitra any Eoropa. Manan-talenta amin’ny haiady hafa ihany koa izy, toy ny Pancrace, araka ny resaka nifanaovana taminy, amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Namiratra tokoa izy satria efa intelo no nahazo ny medaly volamena tao Eoropa, tamin’ny “Open de Barcares”, ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa ary ny “Open d’Europe”, tao Sobrevi­ver, ny taona 2021. Ankoatra izay, fifaninanana maro tao Eoropa, toy ny Zone Sud CFJJB, Gap Tournament, Open de Lyon ary ny Zone Centre CFJJB, no efa nandraisany anjara tamin’ny taranja Jiu-Jitsu Breziliana. Vokatra tsara avokoa no azony nandritra ireo satria niakatra “podium” hatrany i Anja­ra­tiana. Tsiahi­vina, nanomboka niantsehatra teo amin’ity ta­ranja ity izy ny taona 2014, tao amin’ny klioban’ny South­side ary ao amin’ny Prana Family, any Eoropa, no misy azy amin’ izao. Tepana mainty izao Randresiarivony Anjaratiana. Nohamafisiny fa lava ny lalana ho an’ny taranja Jiu-Jitsu, mila kotrana izany ary tsy mila maika, izany hoe, mila faharetana ny fiangaliana ity taranja ity raha te ho lasa lavitra. Afaka mivoatra, hoy izy, ny JJB eto amintsika ary manana ny toerany ny Malagasy eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola Malagasy somary tsy dia tazana anefa ny Jiu-jitsu eto an-toerana ka mila tosika satria manana talenta ny Jiujitsuka. Araka ny efa notaterina teto, mandalo eto Mada­ga­sikara i Anjaratiana ary efa nisy ny fifampizarana traikefa nataony ny herinandro teo, ho an’ny Malagasy mpikatroka. Mbola hijanona eto 2 herinandro izy ary mikasa ny hanohy izany fifampizarana izany, izay mbola hifandaminany amin’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana.

Mi.Raz

Partager sur: