Fampiasana ny sanganasany : nahazo alalana tamin’i Ninie Donia i Farah John’s

Alalana feno sy ara-dalàna no azon’i Farah John’s amin’ny fihirana sy fampiasana ny sanganasan’i Ninie Donia. Nitondra fanazavana sy fanamarinana mahakasika izany izy.

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny mahakasika ny fihirany ny hiran’i Ninie Donia, ny mpanakanto Farah John’s, omaly, teny Am­pasika. « Efa ela i Ni­nie Do­n­ia no nanome alalana ahy hihira ny hirany », hoy i Farah John’s. Raha tsiahivina, na­moaka ny horonantsary ny tenany tamin’ny faran’ny herinandro. Nite­raka resabe teo ani­­von’ny tambajotra so­sialy izany. « Na­nomboka ny 27 mar­­sa 2015 aho no nomen’i Ninie Donia alalana sy fahefana hampiasa sy hanara-maso ny fampiasana ny hirany rehetra eto Madagasikara. Natao an-taratasy mihitsy izany fa­nomezan-dalana izany », hoy izy.
Efa ela no nisy ny fiaraha-miasa sy ny fihavanana teo amin’ny mpanakanto roa tonta. Nilaza ity mpanakanto ity fa nifampitondra ho tahaka ny mpianaka izy ireo tao anatin’izany. Tsy nahasakana ny fihavanana ny trangan-javatra nihatra tamin’i Ninie Donia. Efa nisy ny fihiran’i Farah John’s ny « Malemilemy », ni­tohy tamin’ny « Malilo », ary mbo­la hisy ny fanatontosana ny hira « Vonjeo re ».

Tsy hijanona
Hanohy ny fivoizana ny sanganasan’i Ninie Donia manomboka izao. « Amin’ny maha mpahay kanto mpihira sady mpamorona ahy. Hihira ny hirako sy hamoron-kira hatrany aho no sady hihira ny hiran’i Ninie Donia, ho fahatsiarovana hatrany sy ho fanomezam-boninahitra azy. Tsy hanova na inona na inona ao anatin’ny hira aho », hoy izy.
Hitohy ary vao mainka hihatsara, araka izany, ny sehatry ny kanto ho an’i Farah John’s. Efa maro ny hetsika homanin’ity mpihira ity, ho an’ny mpankafy azy. Hahazo ny anjarany ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Nasiany teny ihany koa ny antony tsy amoahany rakikira noho ny mbola fanjakan’ny fanaovana hosoka eto Madagasikara.

Lin

Partager sur: