Mihazakazaka ny fametrahana olona sy ny fitadiavana toerana any amin’ny departemanta isan-karazany, taorian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Mirodorodo, manao be fiavy any amin’ny biraom-panjakana ny manam-pahefana avy any amin’ny faritra, manao ady sisika ny toerana. Niaraha-nahalala fa manomboka rahateo ny fanovana olona.
Maro amin’ny solombavambahoaka no manararaotra faramparany ny fahefana eo am-pelatanany, hilaharana eny amin’ny minisitra isan-tsokajiny. Ny sasany tonga miarahaba raiamandreny. Ny hafa miaraka amin’ny Curriculum Vitae na ny mombamomba ny olona tiany hatosika, haka seza. Fomba mahazatra izay efa hita ny maharatsy azy.
Mazava anefa ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika fa tsy misy ny kiantranoantrano. Manomboka amin’ny fifantenana ny mpiara-miasa ny fanafoanana ny kolikoly sy ny tsindritsindry. Izay mahafeno fepetra, afaka mitondra vokatra tsara ho an’ny vahoaka no ho voaray sy hapetraka amin’ny toerana sahaza azy.
Inoana sy antenaina fa hipetraka ho mpianatra mpanoa ny mpampianatra ireo minisitra, nomena ny herijika hitondra firenena. Hijoro amin’ny maha izy azy, fa tsy ho vorebirebin’ny ramatahora amin’ny depiote. Ireto farany, izay matetika mihevitra fa manana ny fahefana handrahona ny mpanatanteraka. Asa mety noho ny fahefana ananany afaka ny manao fitsipaham-pitokisana sy ny fitateram-bolana any amin’izay heveriny ho tompon’ny teny farany ve ?
Raha ny zava-misy eny ifotony, iaraha-mahita fa olana mateti-pitranga ny lonilony amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry raha vao tsy olona mitovy « kolera » na loko. Miankina amin’ny politika rahateo hatrizay ny fanendrena vao mijery teknika. Milaza fanovana ny filohan’ny Repoblika, heverina fa mba hivadika ny rasa!
r.r