Tarika Raboussa: Seho tokana any Alemaina

Ny voalohandohan’ny taona no nandatsahana ny vaovao. Efa any an-toerana, nanomboka omaly, kosa Raboussa sy ny tariny. “Efa aty, sabotsy mihaona. “Te ho any aminao” ny hiranay voalohany amin’io”, hoy ny nambaran-dRaboussa tao amin’ny pejin’ny tarika. Manome fotoana ireo mpankafy azy any Munich, Alemaina ity mpanakanto ity, rahampitso sabotsy. Miara-dalana aminy amin’izao fivoahana any ivelany izao i Fy sy i Dj Deem. Hanafana ny fotoana aorian’ny seho hotontosain’ny tarika kosa i DJ Karhino.
Tena seho tokana fa tsy fihodinana ity hataon’ny tarika Raboussa ity. Avy hatrany dia hitodi-doha hiverina izy sy ny tariny, noho ny adidy aman’ andraikitra miandry. Fotoana fanararaotra ho an’ireo mpankafy any an-toerana, araka izany. Miandry ilay fotoan-dehibe kosa ireo mpankafy aty an-tanindrazana izay efa manantena, taorian’ny nivoahan’ny “Izany dia tsy hay”, tamin’ny volana oktobra.

Zo ny Aina

Partager sur: