Samy tompon’andraikitra sy manana adidy manandrify azy ny rehetra, raha ny momba ny fiarovana sy fanavotana ny tontolo iainana no asiana teny. Izany indrindra no anton’ny hetsika, ho fampahatongavan-tsaina ny olona amin’ny alalan’ny haikanto.
Mitohy eny amin’ny Centre de lecture, d’information et de culture (CLIC) Antohomadinika, nanomboka omaly, ny hetsika “NOus_sOmm∑”. Hetsika ahitana rantin-javakanto maro, natao mba hahatonga saina ny olona manoloana ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana. Fiaraha-miasan’i Système D, Malagasy mpanao «Slam poèsie» sy i Nancy Andrianjaka, Mianoka Andriamandroso , Henitsoa Rafalia ary i Nicky Aina, izay samy mpaka sary pika, miaraka amin’ny Institut français de Madagascar no nahatanteraka izao hetsika izao.
Taorian’ny teny amin’ny Cité Planton Ambaranjana, hitohy eny amin’ny CLIC Antohomadinika indray izany ny hetsika. Sahala amin’ny teo aloha ihany, ny rano sy ny fahasalamana ary ny vina amin’ny hoavy manoloana ny loza manambana ny zavamananaina no lohahevitra. Hita ao anatin’izany ny atrikasa fanoratana izay iarahana amin’i Système D. Hifantoka kokoa amin’ny resaka «Slam poèsie» ny atrikasa. Eo ihany koa ny «Dité-philo» , izay poezia ka ny lohahevitra dia faritan’izay sary miranty eo. Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ny «Haiku», izay poezia Japoney. Tsy hadinoina fa anisan’ny tena mandravaka ny hetsika ny rantin-tsarin’ireo mpaka sary pika miisa efatra.
Manampy ny fanentanana
Anisan’ny tomponandraikitra amin’ny fanabeazana sy fitaizana ny olom-pirenena ihany koa ny haikanto. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika, tsy ampy intsony ny fanentanana tsotra sy fanaovana antso avo isan-karazany ny amin’ny tokony hitandroana sy hanavotana ny tontolo iainana. Izany indrindra no nanaovana ny hetsika. Hanehoana ny olona rehetra, amin’ny alalan’ny haikanto, izany fahapotehina izany. Hanentanana azy ireo ihany koa mba hanavotra sy ho sarotina ary hiaro ny tontolo iainana.
Lin