Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny 2 hatramin’ny 11 febroary 2024, ny fampirantiana «Fun& Flow», tontosain’i Mariam Amyra, Egyptianina mpanao hosodoko, manana ila frantsay, monina eto Madagasikara. Anisan’ny mampiavaka ny asa tanan’ity mpahay kanto ity ny fahaizany milalao ny hazavana sy ny loko ao anatin’ny haikantony. Ankoatra ny fampirantiana, vonona ihany koa izy hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’ireo mila izany.
“Fotoana sy fihetseham-po maro samihafa no mandrafitra ny fiainana. Misy fotoam-pifaliana, lanonana sy fiaraha-mikorana. Misy ihany koa fotoana izay maha ao anatin’ny alahelo sy faharatsiana eo amin’ny fiainana misy anao”, hoy i Mariam Amyra. Izany no hasongadina mandritra ny hetsika “Fun&Flow”. Hasehony ao anatin’ny sanganasany izany fahasamihafana goavana izany. Mampiavaka ny fampirantiana ny naha teto Madagasikara avokoa ireo akora fototra nampiasaina nanatontosany ny hosodoko. Ohatra amin’izany ny tanimanga, ny tanimena… izay nahafahany namoaka ny hakanton’ny sary hiangaliany.
Efa hatramin’ny fahakeliny i Mariam Amyra no liana sy nisehatra teo amin’ny fanaovana hosodoko. Nanodidina ny telo taona teo kosa izay no naha matihanina azy. Araka ny nambarany, tsy nandalo sekoly fampianarana manokana momba ny hosodoko izy fa nanpiana-tena sy naka lesona tamin’ireo zava-bitany.
Lin