Moto – Mada 2024 : hanomboka rahampitso ny fifaninanana

Mikarakara fifaninanana voalohany ny federasiona malagasin’ny taranja Moto (FMaM), amin’ity taona 2024 ity. Nahatratra 55 ireo mpandray anjara amin’izany.

Hotanterahina eny Am­bohidava, ny alahady 28 janoary, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja Moto Cross, taona 2024. Handray anjara amin’izany ry Randy sy Claudio ary i Mathias, tompondaka “élite 1” tamin’ny taon-dasa. Raha ho an’ny “élite 2”, hihaona ao ry Miaro, tompondakan’ny sokajy junior 2023, sady laharana fahatelo tamin’ny “MX des Nations” tany Afrika Atsimo, sy i Kevin, tompon’ny amboaran’ny sokajy amateur. Tsara ny mampahafantatra fa miisa 55 ireo mpandray anjara. Mizara ho sokajy sivy izy ireo. Anisan’izany ny sokajy “élite 1”, “élite 2”, ny “junior”, ny 85 cc lahy sy vavy, ny zokiny “vétéran 1 sy 2”, 65 cc vehivavy, ny 50 cc. An­koatra izay, hisy hetsika telo hatao ny volana febroary ho avy izao, araka ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny taranja moto. Hotontosaina ny 4 febroary, eny Antsahadinta, ny “Mada­gascar enduro challenge (MEC)”. Hatao ny 11 febroary any Antsirabe kosa ny “Grand Prix IMC et BMC”. Raha hotanterahina ny 17 febroary, eny Soavina, ny “Gala des Champions”.

F.R

Ireo mpandray anjara

Sokajy
Elite 1 :
Plantive Mathias, Tida Claudio, Rakotoarimanana Randy, Preve Marco, Razafindrakoto Finaritra, Wong Erwan, Danny Marcel
Elite 2 :
Andrianirina Andy, Tianiaina Cedric, Razafinarivo Miadantsoa, Ranaivoson David, Rakotoarison Sandratra, Rakotoarison Mandresy, Razafimahefa Miaro, Sikina Kevin
Junior :
Lemonier Oscar, Sikina Kentin, Randrianarivelo Mathias, Karnezis Steven, Ratsiraka Damien, Albert Geoffray, Herman Paul Antoine, Noa Lo Ping, Ralambofiringa Ethan, Rakotoarimanana Jeremy
85 CC :
Tsiranana Guillaume, Leung Yen Sincere, Croft Rowan, Rakotondravoavy Tsirava, Tianiaina Yohan, Laurent Raphael, Rakotondravoavy Tsiresy, Yvon Elyos, Razafimahefa Ny Aiko, Ramanantsoa Thomas
Vétéran 1
Razafimahefa Tsirava, Rakotonjanahary Patrick, Mohamed Fayaz
Vétéran 2
Chan Ming Thierry, Makboul Tarzan, Ravelonirina Benjamin, Rakotomampianina Rija Alberto, Ratsiraka Roland, Jeannot Chan, Mouton Jean
85 CC Vehivavy
Andrianarivelo Innah, Chan Adriana, Rajaonarisendra Miahy, Lo Tsy Heng Ciara
65 CC Vehivavy
Ramanantsoa Louna, Andriamady Joann
50 CC :
Lo Tsy Heng Aymeric, Leung Yen Eros, Valton Samuel, Rajaonarisendra Aro Nirindray

Partager sur: