Tohin’ilay raharaha nanagadran’ny filohana klioba iray, RBC, ny mpitsara lalao, i Veve, tao Mahajanga, fantatra fa efa nivoaka ny fonja ity mpitsara lalao ity. Na izany anefa, mbola miandry fitsarana izy, araka ny vaovao voaray avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety. Manoloana izao trangan-javatra izao, naneho ny heviny ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ ny basikety. Manameloka tanteraka ny fanagadrana sy ny fanenjehana an’i Veve, ao amin’ny ligin’i Boeny ny FMBB, araka ny fanambarana nataon’ny filohany.
Raha hiverenana ny olana, nisy ny fifamaliana teo amin’ny filohan’ny RBC ao Mahajanga sy ity mpitsara basikety ity, nandritra ny fifaninanana 3×3, ny volana desambra lasa teo. Tao anatin’ izany no nilazan’ ity filohana klioba ity fa tsy maintsy migadra i Veve ary izao notanterahina izao tokoa. Nambaran’ny FMBB fa tsy tokony hiafara amin’ny fanenjehana sy fanagadrana ny fifamaliana satria efa tranga mateti-piseho izany. Tranga tsy maintsy misy eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ny fifamaliana eny ambony kianja, ka tsy izany no hanamparana ny maha manampahefana ny olona iray.
Mi.Raz