Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, izay hibata ny amboaran’i Madagasikara, eo amin’ny taranja baolina kitra (Telma coupe de Madagascar 2023). Hifanandrina hiady izay ho lohany amin’izany ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus, samy ekipan’Analamanga.
Klioba roa diso mifankahalala tsara ny an-daniny sy ny an-kilany. Vao haingana no nihaona nandritra ny ampahefa-dalana niadiana ny “Grand Tournoi d’Antananarivo” (GTA). Hanala vela amin’ity ry zareo Andoharanofotsy. Hafana tanteraka ny lalao satria samy manana ny fahaiza-manaony sy ny traikefany avy izy ireo.
Tsiahivina fa anaram-boninahitra fotsiny no hiadiana amin’ity fa tsy mbola misy fivoahana any Afrika. Hisy ny “Super coupe”, hifanandrinan’izay mandresy amin’ity 2023 ity sy izay mahazo ny amboara 2024. Hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf izay mivoaka ho mpandresy amin’izany.
Marihina fa hotoloran’ny Telma, mpanohana ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity, lelavola ny ekipa mandresy. Hahazo ny anjarany koa ny mpamono baolina be indrindra, ny mpilalao sy mpanazatra ary mpiandry tsatoby mendrika.
Tompondaka