Nirefotra ny basy tao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Lasan’ny jiolahy ny vola. Mpandalo iray voatifitra.
Norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 4 tapitrisa Ar tao amin’ny tsenam-barotra iray etsy Andravoahangy, afakomaly atoandro. “Nijoro teo alohan’ny tsena ny lehilahy iray nitana basy ary niditra nitaky vola ny roa lahy”, hoy ny tompon-tsena lasibatra. Raiki-tahotra ireo mpivady mpivarotra ka nanokatra ny fitoeram-bola. Tsy nanaiky izay nomena azy anefa ireo jiolahy. “Mbola noraofiny koa ny vola madinika famerenenanay ary nafatrany tao anaty kitapokely”, araka ny fanamafisan’ny lasibatra. Tsy afa-nanda rahateo ilay raim-pianakaviana satria nambanan’ireo olon-dratsy antsy. Nanao satroka ilay nitondra basy ary tsy nisy nisaron-tava ireo namany. Nandrahona ny tompon’ny tsena izy ireo mba tsy hisy hiantso vonjy sy hamoaka feo talohan’ny nandehanany.
Voatifitra teo amin’ny tratra…
Poa toy izay, nanapoaka basy ireo jiolahy ary nitsoaka nitondra ny vola. Nihazo ny elakela-trano mihazo an’Anjanahary izy ireo. “Lehilahy nanakana ireo mpandroba, voatifitra teo amin’ny tratrany”, hoy ny sefo fokontany Andravoahangy Tsena, Rahajanirina. Nifamonjen’ny fokonolona ilay naratra mafy ka afa-nandositra mora foana ireo olon-dratsy. Minitra vitsy taorian’ny fanafihana, nihatrana teo an-toerana ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny CSP3 sy ireo mpiara-miasa aminy. “Tsy hita izay nandosiran’ireo jiolahy ireo noho ny hamaroan’ny elakela-trano”, hoy hatrany ny sefo fokontany ao an-toerana.
Tsiferana R.