Notanana am-ponja, taorian’ny fitsarana azy, ny zoma 26 janoary teo avokoa, ireo dimy lahy namono mpandraharaha tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanana. Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no maty novonoin’ireo jiolahy tamin’ny fomba feno habibiana, ny 6 janoary 2024 maraina. Voakapa famaky teo amin’ny lohany izy, tsy vitan’izay fa mbola norasarasaina ny antsy koa ny tarehiny. Vaky silaka roa mihitsy, araka ny hita amin’ny sary sy ny fampitam-baovao voaray. Vokany, maty tsy tra-drano ity raim-pianakaviana ity. Vonoan’olona efa nomanina no nihatra tamin’ilay raim-pianakaviana satria misy ifandraisany amin’ny maha mpandraharaha azy izany, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny fianakaviany.
Tsiferana R.