Tra-tehaky ny polisy misahana ny ady heloka bevava, sakelika fahatelo, etsy Anosy, ny teratany egyptiana miisa dimy. Voarohirohy ho miditra an-kerina anaty tanànan’olona sy mandroba izy ireo. Taorian’ny fikarohana, voasambotra teny 67 ha sy teny Mandrosoa Ivato izy ireo, ny 22 sy 23 janoary lasa teo. Fitoriana nataon’ny lasibatra, iray andro mialoha ny fisamborana no nahafahana nanenjika azy ireo. Mivarotra entana sy mitety tanàna ry zalahy ka manao amboletra amin’ny toerana tiany hidirana. Mbola mangalatra ny entana rehetra lafo vidy ao an-tranon’olona ihany koa, toy ny vata fahitalavitra sy ny vola.
Ny 23 janoary, nanao be midina teny amin’ny toerana nahitana azy ny polisy. Vantany vao nahatsikaritra ny mpisambotra izy ireo dia naka fiara ka nandositra. Nisy ny fifanenjehana hatraty an-dRenivohitra. Tratra ny telo lahy, tafaporitsaka kosa ny namany, izay miisa dimy.
Tsy nanaiky mora ny fisamborana izy ireo fa mbola nampiasa hery, nanohitra polisy ihany koa. Ankoatra izay, teratany vahiny, monina antsokosoko eto Madagasikara izy ireo. Sady efa tsy manan-kery intsony no tapitra fe-potoana ny taratasy ahafahan’ireto farany mijanona eto Madagasikara. Efa natolotra ny fampanoavana ny zoma lasa teo izy ireo.
r.r