Nifarana omaly ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”. Lavon’ny Elgeco Plus tamin’ny isa 2 no ho 1 ny CFFA Andoharanofotsy.
Tsy niova tanana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Lasan’ny Elgeco Plus Analamanga izany, niaraka tamin’ny lelavola
15 tapitrisa Ar. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny CFFA Andoharanofotsy. Lalao famaranana natao teny amin’ ny kianjan’ny Elgeco Plus by-pass, omaly.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta. Nanakobana ny harato voalohany ny Elgeco Plus. Matin’ny Doddy, teo amin’ny minitra fahadimy ny “penalty” azon’ny ekipan’Analamanga. 20 minitra taorian’izay (26 min), nosahalain’i Lalaina, mpilalaon’ny CFFA ny isa teny amin’ny solaitrabe. Ady sahala, 1 no ho 1, no nentina niala sasatra. Teo amin’ ny fizaram-potoana faharoa, nifandimby tanteraka ny fanafihana ho an’ny roa tonta. Maro ireo baolina tokony ho tafiditry ry Bertho sy Lalaina ho an’ny CFFA ary ny an-dry Doddy sy Jean Yves, ho an’ny Elgeco Plus.
Tany amin’ny minitra faha-86, nampian’i Dinoh, mpilalaon’ny Elgeco ny isa rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’ i Safidy. Niezaka nanenjika ny isa ny CFFA saingy nifarana tamin’io isa 2 no ho 1 io ny lalao. Nandresy ny Elgeco Plus.
Tsiahivina fa anaram-boninahitra fotsiny no niadiana tamin’ity fa tsy mbola misy fivoahana any Afrika. Hisy ny “Super coupe”, hifanandrinan’izay mandresy amin’ity 2023 ity sy izay mahazo ny amboara 2024. Hisolontena an’ i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf, izay mivoaka ho mpandresy amin’izany. Tsara marihina fa raha mbola azon’ ny Elgeco Plus ny amboara « Telma Coupe 2024 », tsy misy ny Super Coupe. Notoloran’ny Telma lelavola 2 tapitrisa Ar avy moa ireto ekipa roa nanao famaranana ireto.
Fitia Randria
Ireo nahazo mari-pankasitrahana
tamin’ny « Telma Coupe » :
Mpanazatra mendrika : Andry Hildecoeur Henintsoanarivo na Coach Dekera, Elgeco Plus, nahazo 1 tapitrisa Ar
Mpilalao mendrika : Razafindrakoto Jean-Yves, Elgeco Plus, nahazo 1 tapitrisa Ar
Mpampiditra baolina betsaka indrindra : Thony, US Pro, nahazo 1 tapitrisa Ar
Amboaran’ny Fair-play : Disciple FC, nahazo 1 tapitrisa Ar
Mpiandry harato mendrika indrindra : Razakanirina Nina, Elgeco Plus, nahazo
1 tapitrisa Ar