Kick-Boxing : mpitsara 12 nahazo mari-pankasitrahana

Mampitombo ny traikefany hatrany ireo Malagasy mpi­tsara sy mpanazatra eo amin’ ny taranja Kick Boxing. Ny herinandro lasa teo, nisitraka fampiofanana iraisam-pire­nena, notarihin’ilay renioney mpampiofana, i Marc Hoarau, ireo mpitsara sy mpanazatra ary mpianatra asa 20 mianadahy. Nanomboka ny alarobia 24 janoary ity fampiofanana ity ary nifarana ny zoma 26 ja­noary lasa teo. Ireo mpitsara 12 mianadahy confirmés no notolorana ny mari-pankasitrahana taorian’ny fampiofanana, amin’ ny maha Stage de perfectionnement azy, araka ny fanazavan’ny Maitre Rato­lojanahary Jean Aimé. Tan­jona ny hitovizan’ny fomba fitsarana eto Madagasikara amin’ny any ivelany. Efa ma­nomboka mi­voatra ankehitriny ny lafiny fitsarana eo amin’ity taranja ity, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka mila maharaka izany ihany koa ny Malagasy mpitsara. Ny fam­piharan’ireo mpiofana izay norantoviny nandritra ny telo andro, any amin’ny sehatra misy azy avy, no tena andrasana aorian’ny fampiofanana. Miandrandra fiovana sy fana­tsarana ny lafiny fitsarana, ny mampiofana sy ny tontolon’ny Kick Boxing. Tetsy ankilany, nanome toky ireo mpiofana fa tsy handraraka ilo mby an-doha izay nifampizarana ary tena hampihatra izay fahalalana rehetra noraisina, ho fampandrosoana ny taranja. Ho an’ity taona 2024 ity, efa eo andalam-pamolavolana ny tetiandro mahakasika ny fifaninanana amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Kick Boxing, araka ny vaovao voaray.

Mi.Raz

Partager sur: