Madagascar Aquatics : lany ho filoha Raveloson Rolland Mick

Tontosa ny sabotsy 27 janoary lasa teo, teny amin’ny Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny Madagascar Aqua­tics na ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Lany nandritra izany, Raveloson Rolland Mick. Ligy 7 no tonga nandatsa-bato tamin’ny fifidianana. Samy nifidy avokoa ireo nandatsa-bato.
5 ny kandidà nirotsaka ho fidina, nahitana an’i Désiré Tho­mas, Raveloson Mick, Randria­nandraina Richard, Rabary Hary Jaona ary Razafindra­mahatra Harijesy. Tsy olom-baovao eo amin’ny tontolon’ny lomano, Raveloson Mick, fa izy no filohan’ny klioban’ny Saint Michel, taranja lomano, ankehitriny. Efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony. Tsiahivina fa efa indroa nihemotra ity fifidiana teo anivon’ny federasiona mala­gasin’ny lomano ity. Tamin’ny voalohany, tsy nisy kandidà nirotsaka ka voatery nahemotra. Ny volana desambra 2023 teo kosa, nisy kandidà tokana nirotsaka. Tsy afaka nofidina izy noho ny sazy nahazo azy tany amin’ny taranja hafa. Foana indray ny fifidianana teo.
Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana, afakomaly, nahalany an-dRaveloson Mick.

Mi.Raz

Partager sur: