DAKA AN-JORONY: Atsangano ny maty

Mahafaly ny rehetra tato anatin’ny taona vitsivitsy ny
fisian’ny kianja manara-penitra, ho an’ny taranja baolina kitra isaky ny distrika sy ny faritra eto Madagasikara. Mahave­lombolo ny mpankafy ity taranja ankamamian’ny Malagasy ity, izany. Anisan’ny mahazo tombony ny tanora.
Na eo aza izany fandrosoana izany, mampametra-panontaniana ny maro ny zava-misy, tsy takona afenina eo amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao. Arakaraka ny fitomboan’ ny kianja no mampihena ny isan’ny klioba mifaninana. Ekena fa misy hatrany ireo klioba mifaninana isaky ny mandeha ny fifaninanam-pirenena saingy zara fa mijoro 2 taona ilay ekipa dia tsy hita intsony.
Maro ireo ekipa nanana ny lazany tany aloha tany toy ny AS Adema, ny USJF Ravinala, ny Cnaps Sport, Domoina Soavina Atsimondrano, ny Corps enseignants Toliara, ny MMM Toamasina, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, izay sady nitondra avo ny lazan’ny baolina kitra malagasy no namoaka mpilalao maro. Nanome asa fivelomana ireo mpilalao tao aminy ihany koa. Tsy hita intsony izy ireo ankehitriny. “Atsan­gano ny maty”, hoy ny horakoraky ny mpijery. Aleo hiverina izy ireo, fa efa maro ny kianja azo ifaninanana.
Irarian’ny rehetra mba tsy ho faty fa matory fotsiny ka mbola hifoha izy ireo. Aleo hitsangana ny maty, hiatrika ady indray.
Fahiny mantsy sarotra ny nahalala izay handrombaka ny ho tompondaka. Mbola ady mangotraka ny lalao rehetra. Ankehitriny vao miandoha ny fihaonana dia efa voavinavina sy fantapantatra, ny ekipa hahazo izany. Aleo hitsangana ny maty hameno kianja fa toa zary lazany fotsiny toa an’i besakafo, ny fotodrafitrasa nisasaran’ny fitondrana.

Tompondaka

Partager sur: