Tsy noraharahian-dreniny : maty tao anaty hirifiry i Lalie kely

Maty tao anatin’ny fijaliana tanteraka i Lalie Kely, zaza vao roa taona monja. Tsy noraharahian-dreniny izy. Voalazan’ny polisy fa novonoin’ny raikeliny koa, tetsy Manarintsoa Afovoany.

Mampahonena ! Mafy ny nanjo an’i Lalie kely no­ho ny herisetra ni­an­jady taminy. Nanampy trotraka ny fandaozan’i Sarobidy, reniny azy. Raha ny hita om­aly, tetsy Manarintsoa Atsi­na­nana, nivonto sady mangana ny tongony. Efa tsy afaka nandeha rahateo izy noho ny aretina mahazo azy. Maro ny olona latsa-dranomaso sy nentin-katezerana manoloana ny tranga. Niparitaka rahateo tao anaty tambajotran-tserasera facebook izany.
Voalaza fa niharan’ny herisetra nataon’ny raikeliny izy ka nitarika ny fahafatesany. Ni­ton­dra fanazavana kosa R. Jocyline, anabavin’i Fabrice (rai­kelin’ny zaza) fa : “endrikendrika no nahazo ny anadahiny, tsy nanao herisetra izany izy. «Tsy tian-dreniny io zaza io kanefa tsy salama. Ape­tra­pe­trany aman’olona ka izay mangoraka na mihantra azy no mitaiza. Lasa manao ny ata­ony any ambadika any ny reniny. Misy fotoana tsy hita mihitsy aza», hoy ny fitantarany.

Mamolava…
Nambarany fa niaraka tamin’io anadahiny io ny renin’ilay zaza ka tao an-tranon’izy ireo no nipetraka. «Mamolava ity renin’i Lalie ity ka tany amin’ny trano fisotroana izy no nantsoina tamin’ny fahafatesan-janany», hoy izy nanohy ny fitantarany. Tonga teny an-toerana naka ilay renim-pianakaviana ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) raha nalain’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) kosa i Fabrice, raikeliny. Voarohirohy ho tompon’antoka nahafaty azy izy mivady.
Fantatra nandritra ny famotoran’ny polisy fa niharan’ny vono sy daroka nataon’io raikeliny io no nitarika ny fahafatesany. Ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy. Ny valin’izany no mamaritra ny marina momba ity raharaha ity.

Halain’ny BMH hanaovana fizahana kosa ity zazakely namoy ny ainy ity.

J.C

Partager sur: