Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana nanao ny fanarahan-dia sy ny dahalo tao amin’ny fokontany Analatelo, kaominina Andranomavo, distrikan’i Soalala, ny 26 janoary teo. Nalain’ny dahalo ny omby tao amin’io fokontany io tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Naharay fampandrenesana avy hatrany ny zandary sy ny tafika miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Nanampy tosika azy ireo ny fokonolona. Tsy lasa alavitra anefa ireo olon-dratsy, nisitrika tao anaty kizon’Andombiry, fokontany Vilanandro ireo dahalo. Nanampoaka basy izy ireo rehefa nahatazana ny mpanara-dia. Raikitra ny fifandonana. Vokany, lavon’ny zandary ny roa tamin’ireo mpangalatr’omby. Nanao tongotra an-katoka ireo namany hafa. Tafaverina ireo omby halatra. Mitohy ny fampiharana ny tagnamaron’ ny fandriampahalemana ataon’ny fokonolona sy ny zandary ao an-toerana. Marihina fa omby miisa 35 hafa koa tafaverin’ny mpitandro filaminana tao Bongo-Amboasary, fokontany Antsohy, kaominina ambanivohitr’i Madirovalo, ny 27 janaory teo.
Tsiferana R.