TSELATRA

Nandoa vola mitentina 30 tapitrisa Ar ny fianakavian’ireo olona telo, takalonaina tao Ankazobe, izay votsotra ny sabotsy 27 janaory teo. Tsy namelan’ireo olon-dratsy hatramin’ny farany raha tsy nanome ny vola ny havan’izy ireo nandritra ny fanafihana ny 23 janaory teo.

Roa lahy mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anivorano, kaominina Merimandroso, afakomaly. Nahatrarana fonosana rongony 29 isa teny amin’izy roa lahy ireto. Nokasainy hamidy antsinjarany.

Notanana am-ponja ilay lehilahy nahafaty olona tao Imandry-Fianarantsoa, omaly. Voarohirohy ho namira antsy lehilahy iray izay hita faty tao an-toerana ny 20 janoary teo io notanana am-ponja io.

Partager sur: