Taninketsa indostrialy: hapetraka isaky ny kaominina

Paikady vaovao indray no entin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Hapetraka isaky ny kaominina ny taninketsa indostrialy. Anatin’ny fanatanterahana izany ny minisitera amin’izao fotoana. Nahazo ny anjara taninketsany indostrialy Antsirabe an-tampon-tanàna sy Betafo. Nisitraka milina mpanodina paoma ho lasa vinaigre de cidre ny toerana, izay efa am-perinasa tanteraka. Natao ho laharam-pahamehana izany taorian’ny fahitana ny zava-misy any an-toerana. Simba sy lo ny vokatra rehefa tsy misy mandray. Misy koa ireo voatery mivarotra izany faty antoka, noho ny tahotra ny hahasimba azy. Vahaolana amin’izany ny milina hapetraka hanodinam-bokatra sy hampidiram-bola ho an’ny tantsaha. Ankoatra izay, nitafa tamin’ny tantsaha ao Andrano­manelatra koa ny minisitra momba ny famokarana paoma sy ny fikajiana ny fomba fakana tombony amin’ny vokatra atao. Ankilan’izay, hipaka mivantana amin’ny toekaren’ny mponina ao Betafo ny fahazoany milina mpanodina ovy mamokatra avy hatrany.

Orinasa kaoperativa
Mitondra tombontsoa betsaka ho an’ny tantsaha ny fametrahana ny orinasa kaoperativa. Nanentana ny mpamokatra ny minisitra mba hivondronan’izy ireo ao anatin’izany. Hisitrahan’izy ireo tombontsoa samihafa ny orinasa kaoperativa. Ohatra mivaingana ny momba ireo tantsaha mpamokatra lavanila izay nahazo fahazoan-dalana manondrana mankany ivelany fa tsy voatery handalo mpanelanelana isan-karazany intsony.

Henintsoa H.

Partager sur: