Manomana ny faha-25 taona niorenany ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny fitantanana sy ny fikarohana ara-teknolojia (Emit) any Fianarantsoa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ny orinasa Airtel Madagasikara. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sekoly, ny mpampianatra, ny solontenan’ny mpianatra ary ny fikambanana samihafa any an-toerana, ny avy amin’ ny Airtel, notarihin’ny tale jeneraly vonjimaika, Randrianarison Heritiana. notanterahina ny 15 sy 16 janoary teo izany, nandritra ny fanokafana ny fidiran’ny mpianatra. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny talen’ny fitantanana ny mpiasa (DRH) ao amin’ny Airtel, Razafimahefa Andriamihaja Mina. Niompana tamin’ny lohahevitra hoe : « Famantarana ny anton’ny hoavy mihoatra amin’izay takatry ny saina » izany.
Anisan’ny vinan’ny Airtel ny fanohanana ny tanora mpianatra hahalala ny tontolon’ny teknolojia vaovao amin’izao fankalazana ny faha-25 taona ny Emit izao.
Nizara ny traikefany sady nanazava ny vinany tetsy ankilany, ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Emit, nandritra ny fihaonana. Naneho ny fahafaham-pony ny Dr Rakotonirainy Hasina. Nilaza ity farany fa : « faly tokoa izahay amin’izao fiaraha-miasa amin’ny Airtel, hankalazana ny faha-25 taona izao ».
Tsiahivina fa mitentina 57 tapitrisa dolara ny fiaraha-miasan’ny Airtel sy ny Unicef, entina hampiroboroboana ny fanabeazana niomerika ho an’ny ankizy eto Madagasikara.
Njaka A.