Manoloana ny fitarainana niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny fanomezan-dra, nilaza ny sampandraharaha misahana ny famindrana ra fa maimaimpoana ny fanomezana izany ho an’ireo marary eny amin’ny hopitaly. Tsy maintsy mitondra olona roa kosa hanolo ny ra iray paosy, hanampiana ny tahiry.
Manao fanentanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny hamenoana boky ny tranombokin’ny kaominina eny amin’ny fokontany. Azo aterina eny amin’ny fokontany na ny biraon’ny UGP Produir Manakambahiny, na eny amin’ny biraon’ny fikambanana A2DM ny boky. Amin’ny fiteny malagasy na frantsay na anglisy…
Solontenam-pianakaviana miisa 23 no tonga nanatrika ny dinika tora-po voalohany, nokarakarain’ ny fikambanana Masoandro mody misahana ny olona tratran’ny aretina Alzheimer, ny faran’ny herinandro teo. Mitombo hatrany ny isan’ny olona maniry ny hizara ny enta-mavesatra noho ny aretina mianjady amin’ny havany. Misedra olana ara-tsosialy, ara-bola, ara-pahasalamana (vizana ara-batana ary misy rarintsaina) ny fianakaviana,
Nanambara ny BNGRC, ny faran’ny herinandro teo, fa niakatra ho dimy ny olona tsy hita ary sivy ny olona namoy ny ainy vokatry ny oram-be nisesisesy, nanomboka ny 16 janoary lasa teo, amin’ireo faritra 10. Mahatratra 9 481 ireo traboina ary 2 370 ny olona nafindra toerana amin’ny toeram-pandraisana miisa18.