Misitraka fiofanana maimaimpoana amin’ny alalan’ny fandalinana ny «Lean Management» ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona, nanomboka ny 25 janaoary teo. Hanampy ny tanora hiorim-paka amin’ny fomba fiasa manokana mitaky ny lafatra hatrany io fianarana «Lean Management Six sigma» io. Fitaovana iray nampiasaina nanomboka ny taona 1850, nandritra ny firoboroboan’ny indostrian’ny fiara ny «Lean Management». Nisandrahaka tamin’ny sehatra hafa ny fampiasana azy taty aoriana. Voafaritra anatin’izany ny fomba hamalina ny filàn’ny mpanjifa ho an’ny ara-bola, ara-potoana, hatramin’ny kalitao izay miainga amin’ny zava-misy. «Reharehanay sy raisinay ho adidy entina hanatsarana ny hoavin’ny taranaka fara aman-dimby sy ho an’ny firenena iray manontolo, na eo amin’ny lafiny ekonomika izany na lafiny sosialy ny fanampiana ny tanora», hoy ny tale jeneraly lefitra ny ACPE SARL, Karine Razafindrakoto. Marihina fa tontosa tamin’io 25 janoary io ny fifanoavan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny ACPE sy ny ESPA, ahafahan’ireo mpianatra mandalina io “Lean Management” io.
Tsiferana R.




