Badminton : hatao amin’ny avrily ny fifidia­nana filohan’ny Federasiona

Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao teny Ampefiloha, ny sabotsy 20 janoary lasa teo. Hiatrika ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny Federasiona malagasin’ny Badminton.

Hotanterahina ny faran’ny volana avrily ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Bad­minton (FMB). Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eto Antananarivo izany. Nilaza ny filohan’ny FMB, Ravalison Jean Aimé, fa hovitaina ny faran’ny volana febroary ho avy izao ny fanavaozana ny taratasy “certificat de conformité” ireo klioba rehetra eto Madagasikara.
Hatao amin’ny marsa, ny an’ireo ligy efatra mandrafitra ny federasiona. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Atsina­nana, Alaotra Mangoro ary i Vakinankaratra.
Tsiahivina fa ny 20 janoary lasa teo, teny Ampefiloha, no nanatanterahana ny fivoriambe ara-potoan’ny Federa­siona. Nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy efatra ny fitantanan-dRavalison Jean Aimé, taorian’ny tatitra ara-bola sy teknika ary moraly natao ta­min’io fotoana io.
“Tsara ny zavatra natao saingy mbola betsaka ny tsy vita noho ny valanaretina Covid-19”, hoy Ravalison Jean Aimé raha nanao jery todika ny fitantanany izy. Tsiahivina fa nahazo medaly alimo ny ekipam-pirenena malagasin’ny Badminton, nandritra ny lalaon’ny Nosy natao teto amintsika, ny taona 2023.
Ankoatra izay, hisy ny fifaninanam-pirenena na ny “tournoi d’ouverture”, hatao ny volana febroary. Mbola tsy voafaritra ny daty sy ny toerana hanatanterahana izany, raha ny vaovao nampitan’ny FMB. Hanao fivoriana mahakasika ny fikarakarana ity fifanintsanana ity, araka izany, ny federasiona ny sabotsy ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: