Jiu-Jitsu : mpikatroka 100 manampy traikefa

Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’An­korondrano, ny fizarana traikefa eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu, ataon’i Vicente Cavalcanti, ilay Breziliana manam-pahaizana. Malagasy mpikatroka manodidina ny 100 misitraka izany. Fiofanana sy fifampizarana no atao eny an-toerana, hatramin’ny anio. Nigadona teto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, ity Breziliana mpampiofana ity.
Tsiahivina fa tepana mainty “3e degré” i Vicente Cavalcanti. Efa nisalotra ny anaram-boninahitra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro. Tompondaka maneran-tany nisesisesy ihany koa izy, teo amin’ity taranja ity. “Faly aho afaka mifampizara traikefa amin’ny Malagasy mpikatroka. Mahay mandray sy mahay manaja fitsipika ny Malagasy ka mora ny nampita fahalalana”, hoy ny nambaran’i Vicente Cavalcanti. Tanjona amin’ny fiofanana ny hanome tombony ho an’ny mpikatroka amin’ny fiatrehana fifaninanana.

Mi.Raz

Partager sur: