Ho fantatra anio ireo ekipa roa farany hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024). Fihaonana tanterahina any Côte d’Ivoire. Ny Lion d’Atlas, Maraoka sisa no hany ekipa magrebianina mbola mifaninana.
Hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, ao amin’ny kianja San Pedro izy ireo, anio. Heverina fa hanantombo amin’ny lafiny rehetra ry zareo Maraokanina. Toy ny lalao hafa rehetra nefa dia mety hisy vokatra tsy ampoizina ity “Can 2023” ity. Tsy misy ekipa azo hamaivanina ny mpifanandrina rehetra. Ankoatra izay, lalao tena handrasan’ny rehetra koa ny lalaon’i Mali sy i Burkina Faso.
Raha tsiahivina, nihintsana tany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona i Tunisie sy i Algerie. Raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana, notanterahina ny alahady lasa teo, ny Faraonan’i Egypte. Resin’i RD Congo, teo amin’ny fandakana “tirs au but”, 8 no ho 7, rehefa nisaraka ady sahala 1 sy 1, nandritra ny 90 mn sy tao anaty fanalavam-potoana 15 mn indroa miditra. Manohy ny diany ihany koa i Guinée raha nanilika an’i Guinée équatoriale, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, ny alahady ihany. Efa tafita amin’ny ampahefa-dalana, i Nigeria sy i Angola.
Tompondaka