FANTINA sy FINTINA

Miisa 10 ireo mpanao gazety kandidà hofidina ho mpikamban’ny HCDDED. Hotanterahina rahampitso ny fifidianana azy ireo, ka ireo mpikambana eo anivon’ny biraon’ny holafitra (OJM) miisa 47 no haneho ny safidiny. Manana 5mn hanaovana propagandy izy ireo amin’izany.

“Miaina ny jadona sy ny tsy fanarahan-dalàna isika izao”, hoy ny depiote Rabenirina Mamy. Nambarany fa firosoana amin’izany ny fametrahana PDS hitantana kaominina amin’ny fanovana ny lalàna sasany. “Tsy mpiasam-panjakana, hanana firehana politika no hapetraka amin’izany”, hoy izy.

Rafitra ny olana eto, araka ny nambaran’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko (ARFM). “Fotoana izao hananganana firenena vaovao sy fanjakana malagasy entin’ny gasy”, hoy izy ireo. Hifarana anio, ny fihaonambe II tanterahina eny Ilafy. Hivoaka amin’izany ny fehin-kevitra.

Nihaona amin’ireo mpikamban’ny governemanta alzerianina ny filohan’ny Antenimierampire­nena, Razanamahasoa Christine, omaly. Namaranany ny fitsidihany any amin’ity firenena ity ny dinika nataony tamin’ny Praiminisitra alzerianina, Nadir Larbaoui.

Partager sur: